Noho ny toe-draharaham-pirenena tsy mbola milamina amin’izao fotoana izao, ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny famaranana lehibe amin’ny tsipy kanetibe. Fihaonana, tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taon’ny tranom-piantohana Aro ary hiarahany amin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). . Raha tsiahivina, tokony ho natao ny sabotsy 27 sy ny alahady 28 […]
Fanatajahantena
Volley-Mada 1D : Nanao pao-droa ny GNVB
Nanao pao-droa indray ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, taranja volley-ball, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy “1ère division”, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Norombahin’ny GNVB avokoa ny fandresena teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tamin’ity fifaninanana ho an’ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manaporofo ny maha kalaza sy […]
Fifanintsanana Mondial 2026 : Hivoaka rahampitso ny lisitry ny Barea
Eo am-piandrasana fatratra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara ny rehetra amin’izao fotoana izao. Fihaonana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka rahampitso izany, araka ny fanambaran’ny mpanazatra, i Corentin Martins. Nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa hivoaka amin’ny […]
Rugby, sokajy vehivavy: Nomena sehatra tany Londres ny Makis ladies
Voalohany teo amin’ny tantaran’ny rugby malagasy tao anatin’izay 125 taona nahatongavany teto Madagasikara izay, no hany nahazo fanasana manokana avy amin’ny World Rugby ka nampahafantarina izao tontolo izao, ny tantaran’ny baolina lavalava, sokajy vehivavy. Fantatra tany Londres nandritra ny «Mondial 2025», ny lazany. Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena […]
«Ligue des Champions CAF »: Nihintsana ny ekipan’ ny Elgeco Plus
Tapitra hatreo! Nifarana indray izany ny lalan’ny Elgeco Plus, tamin’ity fifanintsanana afrikanina « Ligue des Champions Caf » ity. Tsy resy ity klioba ity fa nihintsana, satria nanao ady sahala tsy nisy nitoko (0 no ho 0) tamin-dry zareo avy atsy Malawi, Silver Strickers, ny asabotsy lasa teo, tany Malawi. Tsy nahatafidirana […]





