Fanatajahantena

Tenisy – Amboara Davis: Fandresena fanintelony ho an’i Madagasikara

Mbola nahazo fandresena indray ny Akomba de Mada­gascar, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy. Resin’ny malagasy, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Cameroun omaly ho an’ny vondrona “B”. Lalao notanterahina tao amin’ny kianja National Tennis Centre, tao Gaborone Botswana. Sahirana ny Akomba de Madagascar vao […]

Karate-Tompondakan’i Afrika : Medaly alimo 2, azon’i Natanaela sy i Sarobidy

Tsara fanombohana, amin’ny ankapobeny, i Madagasikara, nandritra ny andro voalohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, tontosaina any Nizeria. Medaly alimo 2 no azon’ny Malagasy nifaninana omaly. Medaly voalohany norombahin’ny Malagasy ny an-dRakotondrazaka Natanaela, teo amin’ny Kata, sokajy Cadet, lehilahy. Nandrombaka ny medaly alimo ity karatékas malagasy ity rehefa nisongadina […]

« Chan 2024 » : Tsy mety tafavoaka ny lisitra, ifandroritana ny anarana

Tsy mbola tafavoaka hatramin’izao ny lisitra handrafitra ny Barea Chan. Misy mpilalao tsy niatrika ny dingam-pifantenana izay nataon’ny mpanazatra, miteraka olana. Tsy hita popoka hatramin’i zao ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja baolina kitra, sokajy A’ na ny Barea Chan. Tsy fantatra mazava ny antony mampitarazoka izany […]

SOMBIM-BAOVAO

Natsahatry ny Federasionina malagasin’ny taranja Echecs tsy hanatanteraka ny asany intsony, ny mpitantana ny ligin’Analamanga. Noho ny fihoaram-pefy nataon’ny ligy no anton’izao, araka ny voarakitra anatin’ny fanambarana ofisialy navoakan’ny FMJE. Efa tafapetraka ihany koa ny « comité ad-hoc » hitantana ny ligy vonjimaika. Anisan’ireo taranja misy sy mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny […]

Karate-Tompondakan’i Afrika: Hanomboka anio ny fifaninanana, vonona ny Malagasy

Hanomboka anio, any Abuja Nizeria, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Karate, sokajy Junior, Cadet ary Senior. Naneho ny fahavononany ny solontena ma­lagasy ary efa vita omaly ny filanjana sy ny antsapaka, ka hiditra avy hatrany amin’ny fifaninanana izy ireo ho amin’ny anio. Vita omaly ihany koa ny fiofanana ho […]