Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 8 marsa lasa teo, tany Accra Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain” andiany faha-13. Ho an’ny taranja Tenisy, efa any an-toerana avokoa ireo Malagasy mpilalao. Hotanterahina manomboka ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Accra Ghana, ny fifaninanana ho an’ny taranja tenisy, sokajy […]
Fanatajahantena
Cross country – Mada 2024: tompondaka i Elysé sy Ralisy
sdsdsdTontosa tany Ambatondrazaka, ny sabotsy 9 marsa lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, “Cross Country”, taranja atletisma. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy, Rakotondrainy Heriniaina Elysé, avy amin’ny Cosfa. Tontosany tao anatin’ny 31 mn 04 s 2/100 ny halavirana 10 km. Mbola mpihazakazaka avy amin’ny miaramila ny faharoa, Rambeloson […]
Moto – «4 Heures Honda» : nanjakan’i Mathias sy i Lucas
Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ambohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ ny taranja Moto. Nanjakan’i Mathias Plantive, Malagasy mpilalao sy Lucas Robert, Renioney mpilalao, tanteraka ny fifanintsanana. Nitondra ny Moto KTM 450 SX izy mirahalahy nandritra ny lalao. Mitana ny laharana faharoa kosa i Pascal Dorseuil, […]
Lalao Afrikanina : medaly volamena telo sy volafotsy iray ho an’i Madagasikara
Mitohy ny fiotazan’i Madagasikara medaly, mandritra ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, atao any Accra Ghana. Niampy medaly volamena telo sy volafotsy iray izany, omaly. Miakatra tsikelikely ny fahazoan’ny Malagasy atleta medaly any amin’ ny Lalao Afrikanina, atao ao Accra, Ghana. Niampy ny medaly volamena telo, azon’ny taranja fibatana fonjam-by, ny […]
Amboaran’ny FC Copain: lasan’ny Vétéran FC ny omby
Nifarana omaly, tetsy amin’ ny kianja Travaux Public Ala-robia, ny fankalazana ny faha-18 taonan’ny FC Copain. Nanakatonana izany ny famaranana ny “Tournoi” baolina kitra lalaovin’olona 7. Nandrombaka ny amboara sy ny omby mifahy, ny Vétéran FC Ampatsakana, rehefa nandresy ny 2FC Alarobia tamin’ny isa tokana 1 no ho 0. Baolina […]