Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany. Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny […]
Fanatajahantena
Medaly volamena 3, volafotsy 2 ary alimo 4 azon’ny Malagasy
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, taranja Judo, notanterahina tany Prétoria. Medaly 9 no norombahan’ny judokas malagasy. Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, misolo tena an’i Madagasikara, miatrika ny fifaninanana “Open et Coupe d’Afrique”, taranja Judo, notontosaina tany Pretoria, ny faran’ny herinandro teo. Judokas 3 […]
Taranja tolona: manamafy ny fahaizany any Maroc i Josiane
Fiainana fianarana hatrany! Hifarana anio, any Maroc, ny fampiofanana mpanazatra matihanina, amin’ny taranja tolona. Anisan’ireo nalefan’ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML), ho solontenan’i Madagasikara, hiatrika izany, i Soloniaina Josiane Patricia. Marihina fa nanomboka ny 23 jona, tany an-toerana, ary natokana ho an’ireo firenena miteny frantsay ihany ity hetsika ity. Tao anatin’ireo […]
«Salon national des sports»: hisokatra anio, etsy Mahamasina
Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. […]
Tsipy kanetibe – “Masters 2025”: mahaliana ny maro ny ekipa malagasy
Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]




