Hotanterahina ny alarobia 9 avrily izao, ny “Festival rugby scolaire”. Hatao ao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo ka sekoly enina no handray anjara amin’izany. Telo avy amin’ny CEG dia Antaboka, Abdon Andriamirado ary Mangatany. Telo lisea dia Johson sy Imerintsiatosika ary Arivonimamo. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Rugby Afrique izy ity. […]
Fanatajahantena
Futsal sokajy vehivavy – Afrique 2025 : Mpilalao 31 voafantina amin’ny Barea Ladies
Na dia mbola tsy misy aza ny fanambarana ofisialy, fantatra izao fa voatendry ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny Barea, vehivavy, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal, izay hatao any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, i Mani¬tri¬niaina Steve Princy. Efa nanazatra ireo Malagasy mpilalao […]
Federasionina Taekwondo : Nahemotra ny fifidianana filoha
Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy mbola hotontosaina amin’ity volana avrily ity indray ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray, hatao ny 3 mey ho avy izao izany. Antony, mbola mifantoka tsara amin’ilay fifanintsanana izay handraisan’i Madagasikara anjara any Ethiopie, […]
Filaharan’ny Fifa : Mbola aorian’i Comores ny Barea de Madagascar
Namoaka ny filaharan’ireo firenena mpikambana ao aminy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Nanamarika izany ny filaharana misy an’i Comores izay eo alohan’ny Barea de Madagascar. Mipetraka eo amin’ny faha-105 maneran-tany mantsy izy ireo na dia very toerana 2 aza satria teo amin’ny laharana faha-103 teo […]
Baolina kitra : Vonona hizara ny traikefany i Malabary
Nanambara i Hervé Arsène Malabary, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra monina any Frantsa, ny alarobia 26 marsa lasa teo, nandritra ilay “Match de gala” natao tetsy Maha-masina, fa vonona ny tenany hizara ny traikefany hampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny AC Sotena Mahajanga i […]