Fanatajahantena

Rugby – Federal 2 : Adin’ny samy kartie avokoa ny manasa-dalana

Hanamarika ny fiafaran’ity herinandro ity, ny ankatoky ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby sokajy Federal 2. Hifanandrina ny fileovana sangany indrindra. FTAT Anosibe hifampitana amin’ny Rosa Club de l’Imerina ary ny RCSA Anosibe hifanandrina amin’ny CRAI Ambalavao Isotry. Hangotraka ny kopaka, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka eo […]

Karate-Seminera: Homena traikefa ireo “cadres”

Ho fanatsarana ny lafiny fanazarana, fitsarana ary fitantanana, mikarakara seminera ny eo anivon’ny federasionina ny Karate-do Mala­gasy. Seminera natokana ho an’ny mpitantana, mpitsara ary mpanazatra izay hatao ny alahady 19 sy 26 avrily izao, araka ny fandaharam-potoana. Noho ny fahatsapana fa misy lesoka ny eo amin’ny fanazarana, fitsarana ary fitantanana […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby, ny Makis, sokajy zandriny U20. Ity fifanintsanana ity izay hotanterahina any Oganda, ny volana aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 2023 ny andiany farany tamin’ity fifanintsanana ity, ary nandray anjara tao anatin’izany ny Makis […]

Kitra ao Eoropa – Ligue des champions : Firenena efatra hiady izay ho tompondaka

Klioba avy amin’ny firenena efatra no hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Paris ST Germain hikatroka amin’ny Bayern de Munich ary ny Arsenal hifandona amin’ny Atletico de Madrid. Tontosa ny alarobia lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana roa miverina hiadiana ny ho tompondakan’i […]