Fanatajahantena

DAKA AN-JORONY: Aza atao fy iraisana fa ho fy iraisan-(t)saina

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana izay ho filoha hi­tantana ny firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). Nahazo filoha vaovao indray ny mpikirakira ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena. Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’izao taom-piasana manaraka izao. Enga anie, ny ekipa miaraka aminy tsy hanao toy ny ranotrambo, be fiavy […]

Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe »: Anaram-boninahitra voalohany ho an’ny PSG

Nanakoako manerana an’i Eoropa sy izao tontolo izao mihitsy ny anaran’ny Paris St Germain, ny sabotsy alina teo. Voahosotra ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, ry zareo. Voalohany eo amin’ny tantarany no nahazoany izany ary izy irery no ekipa voalohany nahavita nanao isa tataka tamin’ny famaranana. Mipetraka ho tantara tsy […]

Minisitra Moustapha Marson Abdulah :Tsy manavaka taranjam- panatanjahantena ny MJS

Mandray fifaninanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, ankehitriny. Misy ihany koa ireo fifaninanana eto an-toerana amin’ny taranja hafa izay mizotra amin’izao fotoana izao. Manatrika izany hatrany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mousta­pha Marson Abdulah. Tsy manavaka taranja ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), […]

Asa fanaovan-gazety: Lany ho filohan’ny UJSM i Alain Rabenaivo

Rabenaivo Alain Paul, mpikirakira ny fanatanjahantena ao amin’ny Gazetiko indray no lany hitantana ny Firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagascar (UJSM), ho an’ny taom-piasana manaraka. Vita ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Efitranon’ny Holafitry ny mpanao gazety Ambohidahy, ny fifidianana. 65 ireo mpikambana nanan-jo hifidy sy handatsa-bato tamin’izany. Nahazo vato […]

Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka : Hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka

Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady, etsy amin’ny Kianja Soaman­dra­kizay, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-droa miaraka. Hanan-danja ity fifaninanam-pirenena ity satria ankoatra ny fahazoana isa, efa tafiditra ao anatin’ny fitiliana sahady izay handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny taona 2026 izany. Ankoatra izay, hotolorana lelavola mitentina […]