Fanatajahantena

Kick Boxing-Mada 2024: nijerena ny hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Maha­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Kick Boxing. Fifanina­nana nijerena izay mendrika hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Mpikatroka 182 avy amin’ny ligim-paritra 14 no tonga nifanina nandritra ny fifaninanam-pirenena 2024 ity. 108 tamin’izy ireo no niatrika famaranana, izany hoe, ady 54 no nitranga nandritra izay […]

Handball- Mada jeune 2024: hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nanomboka omaly, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy, taranja handball. Mana-danja tokoa ity fifaninanana ity, amin’io no hanaovana ny fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akio, lehilahy sy vehivavy. Anisan’izany ihany koa ny hanana ekipa tompondaka isakin’ny sokajy, « minimes, cadets, juniors ». […]

Baolina kitra : hatao any ivelany avokoa ny lalaon’ ny Disciples sy ny Elgeco Plus

Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus. Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny […]

Kitra – D2 Nasionaly: famaranana kely ny an’ny FC Theo sy ny AS ST Anne

Hotanterahina anio, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi¬kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny As St Anne Analamanga sy ny FC Theo Sava. Miray vondrona any Vohemar izy roa ireto, marihina fa laharana voalohany ny […]