Fanatajahantena

Tolona lalaovina ambony fasika : hiatrika ny ho tompondakan’ i Afrika i Madagasikara

Anisan’ireo firenena hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja tolona lalaovina ambony fasika, “beach wrestling”, ny Malagasy. Mahatratra 30 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), teny amin’ny Kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy lasa teo, fa handefa atleta […]

Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»

Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa An­driamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Rama­nantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilan­tosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa […]

Coca-cola-PFL: fantatra avokoa ireo manao ny manasa-dalana

Ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga, ny Disciples Vakinankaratra sy ny Zana­kala FC Fianarantsoa ary ny 3 FB Toliara no tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Playoff » “Coca-cola PFL”, taranja baolina kitra. Tsiahivina, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana, ampahefa-dalana miverin’ity fifanintsanana ity. Tsy tafavoaka tamin’ny Elgeco Plus Analamanga ny ekipan’ny Fosa […]

Karate – Fifaninanana Afrika Atsinanana 2024: «Tsy misy miala eto Madagasikara ny medaly volamena», hoy R. Emile

Hampiantrano ny lalao lehibe aty amin’ny faritra misy antsika i Madagasikara, eo amin’ny taranja Karate, ny volana jona ho avy izao. Hatao eto ihany koa ny fivoriambe faritra Afrika Atsinanana. Efa vonona tanteraka ny Federasiona malagasin’ny Karate-Do. Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ny fiadiana […]