Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy zandriny. Miisa 20 ireo klioba hifanintsana ao amin’ny vehivavy. Naaton’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball kosa ny lehilahy, noho ny tsy fahafenoan’ny fetr’isa takina amin’ny fifaninanam-pirenena. Tonga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina […]
Fanatajahantena
Lalao Olympika “JO 2024”: I Rija sy i Sidonie no hisolo tena ny atletisma
Atleta mianadahy no hiatrika ny lalao Olympika izay hotanterahina any Paris France, eo amin’ny atletisma dia i Rija sy i Sidonie. Hihazakazaka eo amin’ny 100 m misy fefy i Sidonie raha eo amin’ny 100 m tsotra kosa i Rija. Taorian’i Sidonie Fiadanantsoa, izay nomen’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny atletisma ny fahazoan-dalana hiatrika […]
“Telma Coupe 2024”: lasan’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny volabe
Tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny Elgeco Plus Analamanga. Tsy tafavoaka tamin’izy ireo ny CFFA Andoharanofotsy. Notoloran’ny Telma lelavola avy ireo ekipa roa niatrika ny famaranana. Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga indray ny amboaran’ny “Telma coupe de Madagascar 2024”. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no […]
DAKA AN-JORONY : Tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika
Mampiteny ny moana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Mifamahofahobe ny zava-misy, misavoritaka ambony ambany. Efa hatramin’izay, ny vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasy (FMF) no tonga tsy re gadona, lasa tsy re tsaika. Honohono avokoa ny vaovao heno fa tsy misy ofisialy. Hany ka misalasala toy […]
Sombim-baovao
Nifarana omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampiofanana ireo ankizy mpikatroka, taranja Karaté. Miisa 28 mianadahy teo izy ireo no niatrika izany teny an-toerana, nandritra ny efatra andro. Ankoatra izay, ny volana septambra ho avy izao ny Malagasy mpikatroka dia hiady ny ho tompondakan’i Afrika any Tunis. Nangoron-damba ny ekipam-pirenen’i […]





