Fanatajahantena

Chan Algérie 2022: hiady medaly alimo ny Barean’i Madagasikara

Mbola manana fanantenana fa tsy mody tanam-polo ny Barea amin’ity fifaninanana “Chan Algérie 2022” ity. Hifanandrina amin’i Niger haka ny medaly alimo ry zalahy, anio, any Oran. Hotanterahina anio ny lalao fiadiana ny medaly alimo, laharana fahatelo, amin’ny fifaninanana “Chan Algérie 2022” taranja baolina kitra. Hika­troka amin’izany ny Barean’i Madagasikara […]

Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana no­vambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. An­koatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]

« Inspecteurs de la Jeunesse et des Sport » : Ramaroson Toavinirina no filoha vaovaon’ny sendika

Notanterahana, omaly, tetsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina, ny lanonana fifamindram-pitantanana, teo amin’ireo filohan’ny syndicat des inspecteurs de la Jeunesse et des Sports teo aloha sy ny vaovao. Nambaran’i Léandre Charles, izay nitantana teo aloha, fa mafy ny ady natrehana nandritra izany, saingy ho tombontsoan’ny mpikambana namana no nijoroana sy niadiana. […]

Kitra vehivavy : mamiratra ny Disciples FF Vakinankaratra

Notanterahina, omaly, ta­ny Antsirabe, ny dingana fa­ma­ranana na “Poule des As” ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara vehivavy sokajy sénior 2022. Nisonga­di­na tanteraka ny Disciple FF Vakinan­karatra tamin’ny fa­nombohan’ ity fifaninanana ity. Nomontsa­nin’izy ireo ta­min’ny isa 8 no ho 0 ny Mifa Analamanga. Lalao izay no­tanterahina tao amin’ny kianjan’i Velodrome […]

Kitra – «Chan 2022 »: tsy mahazaka manenjika isa ny Barea

Mbola ambetin-dresaky ny rehetra hatramin’izao ny faharesen’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Mbola samy mitsakotsako ny faharesen’ny Barea, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny amboaran’ny “Chan” atao any Algérie, na ireo mpilalao na ny mpanazatra […]