Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra. Tena nafana tanteraka ny lalao ampahavalon-dalana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana, anio, ny ekipa tompondaka tamin’ny andiany farany, ny […]
Fanatajahantena
Judo-Lalao Afrikanina: hiditra amin’ny ady isan-tarika anio
Nifarana omaly, ny fifaninanana taranja Judo, ho an’olon-tokana, ao anatin’ny andiany faha-13, Lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana. Mbola hiatrika ny fifaninanana isan-tarika anefa ny solontena malagasy ho amin’ny anio izay mbola miandrandra ny hahazo medaly. Raha hiverenana ny dingana nolalovan’ireo judokas malagasy niatrika ity lalao Afrikanina ity, teo amin’ny […]
Lalao Afrikanina: vonona haka ny medaly volamena ny Makis Ladies
Hotanterahina manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Fanamby goavana ny miandry ireo Makis, vehivavy. Nanainga omaly, teto an-tanindrazana, hihazo an’i Accra Ghana ny Makis Ladies Madagascar, hiatrika ny Lalao Afrikanina amin’ny taranja rugby lalaovin’ olona fito. Nambaran’izy […]
Klioba ECTA : hofohazina any Antsirabe ny “Triathlon”
Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Antsirabe ny fifaninanana “Triathlon”. Nambaran-dRamampiandra Toavina, tomponandraikitry ny ECTA (Entente Club Triathlon Antsirabe) sy Rabenarivo Marius, mpikambana eo anivon’ny federasiona maorisianina triathlon, mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tetsy Amparibe, omaly, fa ho famohazana ny taranja efa natory nandritra ny taona maro no anton’izany. Ankoatra izay, entina hampivelarana ny triathlon aty […]
Savorovoro tany Toliara : manameloka ny herisetra ny FMF
Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao eo amin’ny baolina kitra malagasy, ny savorovoro nitranga tany Toliara, ny alahady lasa teo. Fihaonana nikatrohan’ny Dato FC sy ny 3FB Toliara, andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena na ny “Pureplay football league” (PFL). Manoloana izany, namoaka fanambarana ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona […]





