Fanatajahantena

« Tournoi Beach Soccer » – Morondava : hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary ny tompondaka

Hotanterahina manom­boka anio, any Morondava, ny fifaninanana baolina kitra an-torapasika, beach soccer, ho an’ny seksiona Morondava. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary izay ekipa voahosotra ho tompondaka amin’izany. Miisa valo ireo ekipa mpandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa nozaraina vondrona roa “A sy B” izy ireo. Raha ho an’ny sokajy […]

Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry

Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka […]

Randriamanampisoa Alfred : nanatrika ny fihaonana antampon’ny Fifa 2023

Nihaona fanindroany omaly, tany Arabia Saodita, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randrimanampisoa Alfred. Notanterahina omaly, tany Arabia Saodita, ny fihaonamben’ny Fifa, “Sommet du Foot-ball de la Fifa 2023”. Tonga nanatrika izany, ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanam­pisoa Alfred, sy ny […]

«Pro League 2024»: hanomboka ny 4 febroary ny fifaninanana

Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Association des clubs de foot-ball élite de Madagascar (CFEM), omaly alarobia, fa hanomboka ny 4 febroary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, ho an’ny diviziona 1, «Pro League», taom-pilalaovana 2024. Nohamafisin’ity mpitantana ny fikambanana misahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa taorian’ny fivorian’ny mpikambana ao […]