Fanatajahantena

Lalao Afrikanina : nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura

Nanakoako indray ny hiram-pirenena, tao Accra Ghana, omaly, nandritra ny fifaninanana teo amin’ny taranja Judo, ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina. Nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy latsaky ny 70 kg. Noporofoin’i Laura indray ny maha sangany azy eto Afrika, nandritra ny ady natrehany, omaly. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]

Lalao any Ghana : miovaova foana ny fandaharam-potoana

Misavoritaka! Izay no azo anambarana ny fizotran’ny Lalao Afrikanina, tanterahina any Ghana, amin’izao fotoana izao. Tsy mipetraka, araka ny tokony ho izy, ny lamina amin’ny fandaharan-dalao sy ny fifaninanana fa miovaova araka izay hitiavan’ny mpikarakara azy, araka ny tati-baovao avy any an-toerana. Na ny tranokalam-pifandraisana natokana ho an’ny Lalao Afrikanina […]

Barea de Madagascar : amin’ny alatsinainy ny fampivondronana

Araka ny vaovao azo omaly, avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hanomboka ny alatsinainy 18 marsa ho avy izao ny fampivondronana ireo mpilalaon’ ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ireo lalao tsapa tafiditra ao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Efa hiaraka hipetraka eny amin’ny hotely lehibe iray eny […]

Tenisy – « Lalao Afrikanina 2024 »: hanomboka ny sabotsy izao ny fifanintsanana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 8 marsa lasa teo, tany Accra Ghana, ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain” andiany faha-13. Ho an’ny taranja Tenisy, efa any an-toerana avokoa ireo Malagasy mpilalao. Hotanterahina manomboka ny sabotsy 16 marsa ho avy izao, any Accra Ghana, ny fifaninanana ho an’ny taranja tenisy, sokajy […]

Cross country – Mada 2024: tompondaka i Elysé sy Ralisy

sdsdsdTontosa tany Am­batondrazaka, ny sabotsy 9 marsa lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, “Cross Country”, ta­ranja atletisma. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasi­kara teo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy, Rakoton­drainy Heriniaina Elysé, avy amin’ny Cosfa. Tontosany tao anatin’ny 31 mn 04 s 2/100 ny halavirana 10 km. Mbola mpihazakazaka avy amin’ny miaramila ny faharoa, Rambe­lo­son […]