Fanatajahantena

Filoha Rajoelina Andry: “Mendrika ny zava-bitan’ny mpilalao basikety malagasy”

Taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Barea, ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, ny Ankoay lahy sy vavy. Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 ny sokajy lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny vehivavy, ny taona 2022. Efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ity taranja basikety 3×3 […]

Malagasy Rugby : mpitsara sivy nomena fiofanana

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampiofanana ireo mpitsara ambony latabatra na « commissaire au match » miisa sivy, izay fito lahy sy roa vavy. Ny Word Rugby no mampiofana ireo mpitsara sivy mianadahy ireo. Araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, natao ham­pivoarana ny fomba fitsaran-dalao ity fiofanana […]

Atletisma-JIOI : atleta 24 ho any Dakar sy Kenya

Hiady ny ho lohalaharana ny tanjona ho an’ny taranja atletisma, mandritra ny la­laon’ny Nosy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique. Tsy vita mora anefa izany fa tsy maintsy manomana, hoy hatrany ny nambarany. Izany indrindra no hisaorany ny fitondram-panjakana manome fiofanana ny atleta toy izao. Ankoatra ireo […]

JIOI-Fiofanana any Chine: afaka efa-bolana vao hiverina ireo atleta 51

Lasa omaly, ireo atleta andiany voalohany, hiatrika ny fiofanana any Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Afaka efa-bolana vao hiverina eto an-tanindrazana. Atleta miisa 29 miaraka amin’ny mpanazatra 2, avy amin’ny taranja atletisma sy fibatana fonjambyireo nanainga omaly, haka traikefa any Chine. Niara-dalana amin’izy ireo ny solontenan’ny […]