Fanatajahantena

Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn

Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Ara­ka izany, hanala vela amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Maha­masina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, […]

Barean’i Madagasikara : nankasitrahan’ny fitondrana ny ezaka vita tamin’ny CHAN

Niaka-dapa ny ekipa malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly, rehefa avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika (CHAN), taranja baolina kitra, natao tany Alzeria. Nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny fitondram-panjakana. Notolorana mari-boninahitra sy nomena fankasitrahana manokana ireo mpilalao sy ny mpanazatra, ary ny ekipa teknika miisa […]

Tenisy – Afrika U18: hiatrika ny manasa-dalana i Miotisoa sy i Gloriana

Hotanterahina androany, ny lalao manasa-dalana iarahan’ny olon-droa, taranja te­nisy, Afrika sokajy vehivavy U18. Fifaninanana atao any Le Caire, renivohitr’i Egypte. Hifanandrina amin-dRasendra Miotisoa, mpilalao Malagasy sy Gloriana Nahum, mpilalao Bénin, amin’izany ry Jermine Sherif sy Mariam Atia, mpilalao Egypsianina. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana an’izy roa mirahavavy ireto, lavon’i Miotisoa […]