Andro sisa hisaina dia higadona ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar). Fifaninanana hotanterahina ny 17 hatramin’ny 24 avrily ho avy izao. Hizara roa ny kianja handray ny lalao, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Hisy ny lalao hatao ao amin’ny Espace Ravintsara Mahamasina. Hisy kosa […]
Fanatajahantena
Judo-Mada 2023: hiakatra kianja, anio, Rasoanaivo Razafy Laura
Nanomboka, omaly, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Mpikatroka 400 manerana ny Nosy no mandray anjara. Anio no hiakatra an-kianja ny laharana voalohany eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 70 kg. Rasoanaivo Razafy Laura. Ny sokajy Senior no hifaninanany amin’izany, hifanandrinany amin’i […]
Taranja Surf : Malagasy roa hiofana any Dakar
Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao. Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena […]
« Ligue des Champions »: sarotra ho an’ny Chelsea ny lalao miverina
Lavon’ny Real Madrid espaniola, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Chelsea anglisy, nandritra ny lalao ampahefa- dalana mandroson’ny « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu. Araka izany, hita fa somary hanahirana an’ny Chelsea ny lalao miverina, izay atao any amin’izy ireo, ny talata 18 […]
« Orange Pro Ligues » : efa misy ekipa efatra tafita amin’ny “Playoff”
Ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, ny Cosfa Analamanga, ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus Analamanga no efa tafita amin’ny fifanintsanana “Playoff 2023”, “Orange Pro Ligue” (OPL), taranja baolina kitra, hatramin’izao. Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ireo klioba efatra hanampy azy ireo amin’ity dingana manaraka ity. Tsiahivina fa […]





