Fanatajahantena

Rugby – « XXL Top 20 » : lavon ‘ny TFA Anatihazo ny XV FA Ampasika

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andoha­ta­penaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hi­verenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy […]

Volley-Mada 2023 : nandravarava ny GNVB

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Jeunes” sy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “2éme division” lahy sy vavy. Nandravarava ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, izay nibata fandresena miisa 3 tamin’ireo sokajy 6 nifaninana. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona vehivavy ny GNVB […]

Kitra – «Orange Pro League» : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga

Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga, teo amin’ny andro faha-14, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Orange Pro League” (OPL), ho an’ny kaonferansy avaratra. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny sabotsy lasa teo. Niezaka nitady fandresena teo an-jaridainany […]

Judo-Mada 2023: mbola tsy lefy laza ny klioban’ny Saint Michel sy ny ESCA

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny heriandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Minimes, Juniors, Cadets, Seniors ary Vétérans, taranja Judo. Navitrika ny mpikatroka, nandritra ny 3 andron’ny fifaninanana ary nampiseho ady matihanina. 400 mahery no nifaninana, avy amin’ny ligim-paritra 8. Raha ny vokatra, […]

Rugby – XXL Top 20 : hano­hitra ny TFA Anatihazo ny XV Fa Ampasika

Hitohy rahampitso alahady 16 avrily, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana hi­songadina, ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny XV Fa Ampasika. Adin’ny samy kartie ka heverina fa ho toy ny famaranana […]