Fanatajahantena

Muay Thai : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023

Hotanterahina ny 6 feb­roary ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny taranja Muay Thai, hay ady avy amin’ny kolontsaina thailandais sy asiatika. Tsy diso anjara ny mpiangaly izany eto Madaga­sikara fa hankalaza ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny fe­derasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais, fa sady fanokafana […]

Basikety-Fanomanana ny JIOI : hitsapa ny Cospn sy ny GNBC i Mayotte

Tsy matoritory intsony ireo Nosy rahavavy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hotontosaina afaka enim-bolana eto Madagasikara fa tena efa ana­ty fanomanana tanteraka. Ni­gadona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipan’i Mayotte, taranja basikety. Hitsapa ny Cospn sy ny GNBC ny anton-dian’izy ireo, araka ny fantatra ka hiatrika lalao maromaro ho fanomanana […]

Ping pong-Afrika: valo mianadahy ho any Djibouti

Hotanterahina any Djibou­ti, ny 9 hatramin’ny 12 marsa, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra atsinanana, taranja tenisy am­bony latabatra. Manana solontena valo mianadahy hiatrika izany isika. Tanjona fohy ezaka tratrarina miaraka amin’ireto mpilalao ireto ny fandrombahana ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Af­ri­ka Atsinanana. Io no hahafahana mandray anjara […]

Chan Algérie 2022: hiady medaly alimo ny Barean’i Madagasikara

Mbola manana fanantenana fa tsy mody tanam-polo ny Barea amin’ity fifaninanana “Chan Algérie 2022” ity. Hifanandrina amin’i Niger haka ny medaly alimo ry zalahy, anio, any Oran. Hotanterahina anio ny lalao fiadiana ny medaly alimo, laharana fahatelo, amin’ny fifaninanana “Chan Algérie 2022” taranja baolina kitra. Hika­troka amin’izany ny Barean’i Madagasikara […]

Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana no­vambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. An­koatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]