Fanatajahantena

«Elites LANA» Bordeaux : norombahin-dRandrianasolo Haja ny medaly volamena

Notanterahina, tany Bor­deaux ny asabotsy 28 sy ny alahady 29 janoary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritr’i Bordeaux, Frantsa, taranja atletisma anaty efitrano «Elites LANA». Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany, ilay malagasy Randrianasolo Hajatiana, atletan’ny US Ta­len­ce. Nifaninana teo amin’ny halavirana 60 m ny tovolahy. Norombahany ny medaly vo­la­mena. Nahavita […]

Kianjaben’ny Mahamasina : ahina ho simba ny bozaka filalaovam-baolina

Velona ahiahy ireo mpilalao sy ny mpankafy baolina ki­tra malagasy, amin’izao fo­to­ana izao. Nohon’ny habetsahan’ny olona tonga tetsy amin’ny kianjaben’ny Ma­ha­ma­sina, omaly alahady, navelan’ny tomponandraikitra ni­ka­rakara ny lanonana, hitsahina ny bozaka filalaovam-baolina. Nitsinjaka teo ireo va­ho­aka an’arivony ka ahina ho simba izany bozaka izany, izay tsy bozaka avy eto Madagasikara […]

Rajoelina Andry: hisy fifaninanana isam-bolana eo amin’ ny kianja Barea

«Hikarakara fifaninanana isam-bolana isika izay ha­tao eto amin’ny kianja Barea ny lalao famaranana», hoy ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, omaly tetsy Mahamasina. Nomarihiny fa mendrika loatra ny zava-bi­tan’ireo mpilalao, izay ekipa roa sangany, efa manana ny toerany aty Afrika ny hany teo alohan’ny Barea dia i Sénégal sy i Algérie. […]