Fanatajahantena

Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica

Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randria­miandrisoa Jessica, ilay Ma­la­gasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]

Kolokitra : notolorana loka ireo ankizy mpilalao baolin’ny EPP Andavamamba

Notolorana fanomezana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Andavamamba, teny Alarobia, omaly. Izy ireo izay tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo. Notanterahina omaly teny amin’ny “Show-room” Yamaha Ala­ro­bia, ny fanolorana ny loka, toy ny baolina kitra, ho an’ireo ankizy mpilalao baolina ao amin’ny EPP Andava­mamba. […]

Tenisy – « Dubai 2023»: hifaninana i Rafael Nadal

Taorian’izay 15 taona tsy nahitan’ny mpankafy tenisy any Dubai an’i Rafael Nadal, mpilalao espaniola izay, hiverina hiatrika fifaninanana « Dubai Duty Free Tennis Cham­pionships » indray izy. Izany dia hotanterahina ny 27 febroary hatramin’ny 5 marsa. Araka ny vaovao, tamin’ny taona 2008 ny lehilahy no nanao ity fifaninanana ity farany. Ankoatra izay, […]

Fiofanana mankany Chine : mamofompofona risoriso ny fifantenana ireo atleta

Afaka iray volana raha tsy misy ny fiovana, no hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Chine ireo atleta malagasy. Hiatrika fiofanana ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasika­ra. Araka ny fanadihadiana natao, mitranga sahady ny antsojay isan-karazany, amin’ny fifantenana ireo atleta. Anisan’ireo mahatonga ny disadisa, ny tsy fahalalana […]

Amboara rezionaly U-19 : misy ligy mitaraina noho ny hala-taona

Nifarana, omaly, ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U-19. Fifaninanam-pirenena izay notanterahina tany amin’ireo toerana fito, toa an’Antalaha, Tsiroanomandidy, Toamasina, Taolagnaro, Ihosy, Antsirabe, Manakara. Araka izany, nisy ireo ligy nitaraina teny anivon’ny mpikarakara, amin’ny resaka hala- taona. Marihina fa tany am-piandohana dia efa nametraka ny fepetra ny eo […]