Fanatajahantena

Federasiona Malagasin’ny Bisikileta: voafidy ho filoha indray i Relaha Jean-Claude

Lany faninenina hitantana indray ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), mandritra ny efa-taona, i Relaha Jean Claude. Izany dia fantatra taorian’ny fifidianana natao omaly, teny anivon’ny biraon’ny komity olympika malagasy (Com) Ivandry. Tonga nanatrika ny lanonam-pifidianana tao avokoa ireo ligy fito, toy ny ligin’i Ma­tsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Menabe, […]

Kitra: hitsapa an’i Niger ny Barea

Hitohy, amin’ny alatsiniany 9 janoary ho avy izao, ny lalao fitsapana ataon’ny Barea de Madagascar, mialoha ny hiatrehany ny “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary, ho avy izao. Hifa­nandrina amin’ny Menas an’i Niger ry zalahy, amin’ity fi­haonana faharoa ity. Hotan­terahina ao amin’ny kianja Stade Practice Tabarka, ao Tonizia […]

Kitra – Amboara rezionaly U19 : fandresena avy hatrany ny an’ny ekipan’Analamanga

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra sokajy U19. Nahomby sahady ny ekipan’Analamanga, izay nilalao tao Antsirabe. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fiadiana ny amboaram-paritra taranja baolina kitra ho an’ireo tanora latsaky ny 19 taona. Lanonana izay natao tamin’ny kianja valo, toa ny kianjan’Antalaha, Port – Berger, […]

Tenisy ambony latabatra: miisa fito ireo ligy hiady ny lohany

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, taona 2022. Fifaninanana izay natao teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Miisa fito ireo ligy handray anjara, toy ny ligin’Atsinanana, Alao­­tra Mangoro, Analaman­ga, Itasy, Vakinankaratra, Am­­bositra ary Matsiatra Am­bony. Tsiahivina fa klioba 42 avy amin’ireo ligy fito […]