Fanatajahantena

Kitra – “Chan 2023” : hihaona amin’ny Congo Brazzaville ny Barea de Madagascar

Ho fiantrehan’ny Barea de Madagascar ny “Chan 2023”, dia atao anio ny lalao fanomanana eo aminy sy i Congo Brazzaville. Izany dia hotanterahina any Tonizia. Nisy ireo fitaovana nomen’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra, ho an’ny Barea Chan. Hotanterahina, anio, any Tonizia ny lalao ara-pirahalahiana, eo amin’ny Barea de Madagascar sy […]

Fifa : namoaka mpitsara iraisam-pirenena malagasy 19

Azo lazaina fa matoky ny rafitra iraisam-pirenen’ny taranja baolina kitra malagasy ny federasiona misahana ny baolina kitra eran-tany na ny Fifa. Nisy ny famoahan’izy ireo ny anaran’ireo mpitsara irai­sam-pirenena malagasy mi­isa 19, taona 2023, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Ny enina amin’izy ireo dia mpitsara afovoany, raha mpitsara mpanampy kosa […]

Slalom – “Mada 2022” : nanao pao-droa Rakotojohary Tovonen Jr

Niavaka ny zava-bitan-dRakotojohary Juan (Tovonen Jr), teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja Slalom, ho an’ iny taona 2022 iny. Nanao pao-droa ny tovolahy satria sady norombahiny ny teo amin’ny filaharana ankapobeny no azony ihany koa ny teo amin’ny sokajy zandriny “espoir”, 14-17 taona. Raha hiverenana ny vokatra azony, […]

Rugby – « 6 Nations » : maratra ilay mpilalao frantsay Jonathan Danty

Vaovao ratsy ho an’ny ekipam-pirenena frantsay, taranja rugby, ny faharatrana mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalaon’ny Stade Rochelais Fran­tsa. Ny XV de France, izay hanao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja rugby, na “6 Nations”, amin’ny 4 febroary hatramin’ny 18 marsa ho avy izao. Araka ny vaovao hita tao anaty […]