Fanatajahantena

Tae-kwon-do WT – «Mada 2023»: hisantatra ny fifaninanana ny “Poomsae”

Hifantoka any Toamasina avokoa ny sain’ny mpitia haiady (Tae-kwon-do WT) rehetra, manomboka anio. Ho fantatra any mandritra ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena mantsy izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Hanomboka anio, ao amin’ny kianja mitafo Soavita Toamasina, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja Tae-kwon-do WT. Ny sokajy rehetra no handray anjara amin’izany. Hatreto, ligim-paritra fito […]

Kitra vehivavy : hifandona i Seychelles sy ny AC Sab-Nam

Ho fanomanan’ny AC Sab-Nam, ny “Play-off” amin’ ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja baolina kitra vehivavy, hisy lalao iraisam-pirenena, hatrehin’izy ireo. Hifandona amin’ny «Rovers Mont-Fleury FC» avy atsy Seychelles, izy ireo, ny zoma 6 janoary ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Manana ny toerany ity ekipan’i Seychelles […]

Fifaninanam-paritra: hifantenana izay handrafitra ny Barea U-20

Ho fanomanana ny fandraisantsika anjara amin’ny fifaninanana « Cosafa U20- 2023 », hisy ny fifaninanana rezionaly U19 ho an’ireo faritra 22. Izany dia atao hitiliana ireo Barea kely sy mba hamerenana indray ny amboaram-paritra eto Madagasikara. Ho fiatrehan’i Ma­da­ga­si­kara ny «Cosafa  2023», ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy ny fifaninanana amboaram-paritra, ho […]