Fanatajahantena

Firenena Japoney : nanome 285 tapitrisa Ar ho an’ny judo malagasy

Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena japoney. Tetikasa famatsiana fitaovana ho an’ny taranja judo, mitentina 285 tapitrisa Ar no nosoniavina, omaly, tetsy amin’ny Hotel Le Louvre Antaninarenina. Nanolotra izao fanampiana ara-pitaovana izao ho an’ny Federa­siona malagasin’ny judo, ny firenena Japoney, noho ny fahatsapany ny lanjan’ny […]

Tenisy : handray lalao maro Antananarivo

Araka ny fandaharam-potoan’ny Federasiona ma­lagasin’ny taranja tenisy (FMT), hatao eto Anta­nanarivo ny lalao iraisam-pirenena ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona, sokajy lahy sy vavy. Hotontosaina ny 26 jona hatramin’ny 9 jolay ho avy izao. Fifaninanana izay karakarain’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tenisy (ITF) sy ny kaonfederasion’ny tenisy eto Afrika (CAT). Hatao […]

Volley-CAVBZone 7: nahazo fandresena ny Stef’Auto avy eto Madagasikara

Niditra tamin’ny lalao faharoa ny ekipan’ny Stef’Auto Atsinanana, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), ao Maorisy. Nahazo ny fandresena voalohany izy ireo. Nanitsy ny lesoka ny Stef’Auto ! Taorian’ny faharesena azony, ny alahady lasa teo, nanoloana ny Tampon Gecko Volley ball […]