Fanatajahantena

JIOI-MJS-Federasiona : nanao fivoriana ara-teknika

Efa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao, ireo rantsa-mangaika rehetra. Niaraka nivory nandinika ny lafiny ara-teknika, ny talata lasa teo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny federasiona isan-tsokajiny. Nanatrika ity fivoriana ara-teknika ity teny amin’ny […]

Malagasy rugby: andrasana ny sazin’ireo ligy dimy

Niatrika ny “Codis” ireo filohan’ny ligy dimy tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel. Nangataka fanazavana momba ny hetsika nataon’izy ireo ny teo anivon’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezana. Tsy mbola nivoaka ny sazin’ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Saingy mbola hodinihin’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezan’ny fanatanjahantena ny […]

Malagasy rugby : hiakatra « codis » ireo ligy 5

Hiatrika ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana na « Con­seil de discipline » ireo filo­han’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Anisan’izany ny filohan’ny ligy Betsiboka, Menabe, Vaki­nankaratra, Atsinanana, Iho­rombe. Izany dia hotantera­hina eny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankoron­drano, anio 1 marsa. Tsiahivina fa maro ireo fitakiana nataon’ireo filohan’ ny ligy dimy […]

Orange Pro League : hihaona amin’ny Cosfa ny TFFC

Hotanterahina anio ny fihaonana eo amin’ny Cosfa Analamanga sy ny Tsaraman­droso formation FC Boeny. Lalaon’ny andro fahadimin’ ny fifaninanana “Orange Pro League”, ny taona 2023 ho an’ny kaonferansy avaratra. Fifandonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dratrimo. Anisan’ny lalao heverina fa hiady izy ity, hiezaka ny haka fandresena ho azy ny TFFC, raha […]

Judo-Tompondakan’i Afrika : horaisin’ i Madagasikara

Vaovao lehibe no nambaran’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de judo), Randriana­soloniaiko Siteny, omaly. Mankalaza ny faha-60 taonany amin’ity taona ity ny Judo Afrika ka hetsika sy fifaninanana no hoentina hanamari­hana izany. Eto Madagasikara ny fanokafana ny fankalazana amin’ny volana jolay ho avy izao ka homarihina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]