Fanatajahantena

Basikety-Alley Hoop FIBA 3×3: 700 mahery ny mpilalao hifaninana

Hanomboka rahampitso 3 marsa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina sy Petit Palais ny fifaninanana “Alley Hoop FIBA 3×3”, taranja basikety. Tafakatra 700 ny mpilalao nisoratra anarana ahitana ekipa 171. Raha toa ka ny sokajy U17, U23 sy Seniors ihany no noeritreretina hifaninana, ahitana ny sokajy Vétéran ary ny Super Vétéran […]

Volley-CAVBZone 7: tafita amin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Solontena malagasy tokana hiatrika ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, ny GNVB vehivavy. Samy raraka teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa ny Stef’Auto sy ny GNVB lehilahy. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny ekipan’ny GNVB (Gen­darmerie nationale de Volley ball), sokajy vehivavy, […]

Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barca ny Real Madrid

Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalana mandroso ny fifaninanana “Copa Del Rei” any Espaina. Hihaona amin’ny Barcelone Fc ny Real Madrid Fc. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny San­tiago bernabeu. Hanala vela amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny Real Madrid. Tsiahi­vina fa resin’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Real, nandritra […]

Volley- CAVBZone 7 : voalohany ao amin’ny vondrona C ny GNVB lehilahy

Misongadina tanteraka ny ekipan’ny GNVB lehilahy, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, tontosaina ao Maorisy. Tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C izy, taorian’ny lalao natrehana omaly. Nahazo fandresena nanoloana ny Quatre bornes Volley ball Maorisy, tamin’ny seta 3 […]