Nanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny mpianatra ny Federasionin’i Rosia ary misandrahaka amin’ny sampam-piofanana maro izany ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Natokana ho an’ny mpianatra vao afaka bakalorea ny tolotra ka efa-taona ny faharetan’ny fotoam-pianarana, roa taona kosa ho an’ny mpianatra hanomana Master, dimy taona mahery ho an’ny olona hiofana manokana amin’ny […]
Fiaraha-monina
Randrianandrasana Jean Jacques: miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina
Nitondra ny feon’ny mponina ao aminy ny ben’ny Tanànan’Ampanihy , Randrianandrasana Jean Jacques, nilaza fa miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo lalina ny mponina. Efa hatramin’ny taona 2019 no nampijaly ny rotsak’orana. Tsy misy vokatra vanona, fatiantoka aza no hita amin’ny fividianana masomboly. Maty fotsiny ny fambolena satria tsy misy orana. Nisantatra […]
SENVH: mangarahara ny fandraisana mpiasa EFA
Misy ny fandraisana mpiasam-panjakana EFA nanaovana filazana tamin’ny haino aman-jery sy ny peta-drindrina nataon’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) . Am-perinasa ny rafitra miady amin’ny kolikoly hisian’ny mangarahara ao anatin’izany fandraisana mpiasa izany, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’io rafitra io, Rakotondrabe Harisolofo. Voaaraka ny fepetra rehetra […]
Tetikasa Tosika Fiavota: havotana amin’ny fianarana ny ankizy any Androy sy Anôsy
Nanatanteraka ny fizarana ny tosika Fiavota tany amin’ny fokontany Ankirihiry, kaominina Behara, distrikan’Amboasary, faritra Anôsy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Tokantrano 2000 tao amin’ny distrikan’Amboasary no nisitraka vola 40.000 Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar avy, raisina isaky ny roa volana […]
Vehivavy sembana: manana zo ho salama ara-pananahana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny tetikasa karakarain’ny Afham (Fikambanan’ny Vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara). Nitondra ny lohahevitra hoe: “Ny tenantsika, ny safidintsika: ho fampiroboroboana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy manana fahasembanana”. Tetikasa tohanan’ny ONG Care sy vatsian’ny Agence Française de Développement […]




