Fiaraha-monina

Amboara Wordskills 2025: Tanora efatra no nisongadina tamin’ ny seha-pihariana samihafa

Efatra mianadahy no nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanana « Olympiade des métiers 2025 » Wordskills. Notanterahina teto an-drenivohitra ny famaranana ny hetsika. 18 ireo mpandray anjara amin’ny sehatrasa efatra: asa hazo, fanenomana, petakofehy ary lamaody. Efa nisy fifantenana teo anivon’ny faritany enina ka nisongadina izy 18 mianadahy amin’ny sehatra nasionaly. Tanjona ny […]

160 000 Ar ny kilaon’ny kofehin-dandy : Telo andro ny fanenomana lambabe iray

Vehivavy no tena maro anisa mivelona (mamoly, mahandro, manenona) amin’ny tenona, raha 2% monja ny lehilahy. Aman’arivony ny mpikambana tao anatin’ny Vovo­nana, ahitana ny minisitera vitsivitsy, ny faritra ary ireo mpikirakira landy mivondrona. Nihena ny mpikambana taty aoriana vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokatr’ izay, nihalafo ny vidin’ny kilaon’ny kofehy. […]

Tandindonin-doza ny alatapia ao Arivonimamo II : Seha-pihariana mamelona olona aman’arivony ny fanenomana landy

Misy ny asa omen’ny harena voajanahary azontsika sitrahina ahazoana tombontsoa. Vondron’olona misitraka izany ny olona manenona landy ao amin’ny distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Araka ny tantara, avy any Arivonimamo ny lambalandy nitafian’ny mpanjaka rehefa hikabary manoloana ny vahoaka izy. “Miankina amin’ny tontolo iainana ao amin’ny alatapia, toy ny landy, olatra, […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia […]

« Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra

Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nam­panantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga […]