Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Manana telo andro tsy iasana isan-taona ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny orinasa Orange hanaovana hetsika mitondra fiovana ho an’ny mpiara-belona. Mibahan-toerana amin’izany ny sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho an’ity taona ity, 200 ireo hisehatra amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hitohy amin’ity volana jona ity ny hetsika fanatrarana […]

Firaisana ara-nofo aloha loatra : tsy miaro tena ny tanora

Nisy ny fanadihadiana na­tao ny taona 2020, momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora eto Madagasikara. Notanterahin’ny Univesity of Kwazulu sy ny Heard, tamin’ny tanora 800 (15-24 taona) ta­min’ny toerana efatra: An­ta­nanarivo, Antsiranana, Toa­ma­sina ary Toliara izany. Voa­sahana avokoa ny tanora mbola mianatra sy ireo tsy mi­anatra intsony amin’ny tanàn-dehibe sy ny […]

Fiomanana amin’ny kolerà : nanolotra fanafody i Rosia

Natolotra omaly, teny Andraharo, foiben-toeran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny fanampiana ho an’ny fitsaboana eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa iarahan’ny OMS sy ny fanjakana rosianina. Hitondrana tolotra fitsaboana ho an’ireo mila izany taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ny fampitaovana sy ny fanafody nomena. Misy fanafody hiatrehina ny valanaretina […]

CEG Ambohidratrimo : haseho an-tsary ny hetsika hiarovana ny tontolo iainana

Nanatanteraka hetsika teny amin’ny CEG Ambohidratrimo ny orinasa Orange. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany Nampahafantarina teny an-toerana ny fisian’ny sehatra iray nataon’ny vondrona Orange ahazoan’ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo hisafidy asa iray, hitondra fanovana (Engage to change) ho an’ny fiarahamonina. Ni­om­pana tamin’ny fanentanana momba ny […]

INDRAY MIJERY

Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy, izay mety hialohavana zavona vao maraina ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy ny atin-tany Atsimon’ny Nosy. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy sy ny afovoan-tany any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 6°C- 24°C […]