Fiaraha-monina

Mitety vanim-potoana: Fiarahan’ i Inah, Nini Kiaka ary Mbola Talenta

Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. […]

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Hiray sehatra amin’ny kalaza ireo 10 tafakatra

Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany. Willy, Hira, Jizry, Ra­mily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina nandritra ny roa andro tao Moramanga ny fiofanana, andiany faharoa, ho an’ireo mpitondra tricycle. Nampiavaka izany ny fandraisana anjara nataon’ireo mpitandro filaminana niara-niasa tamin’ny ekipan’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ao Alaotra Mangoro. Nitombo isa ihany koa ny mpandray anjara raha oharina tamin’ny andiany voalohany satria nahatratra 654. Inoana […]

Fampinonoan-dreny : Ilaina ny fametrahana rafitra marolafy

«Andao hametraka rafitra maharitra ho laharam-pahamehana ny fampinonoan-dreny» ny lohahevitra itondrana ny fanentanana manodi­dina ny fanamarihana ny Herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny eto amintsika. Izy ity izay mandray ny lohahevitra iraisan’ny firenena maneran-tany. Mbola betsaka ny sakana tsy mahatomombana ny fampinonoana satria 54% (EDS V 2021) ny tahan’ny fampinonoan-dreny tsy misy […]

Hopitaly Bejofo Mahitsy : Miahy ny mponina ny Sinoa mpitsabo

Manatanteraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly Mahitsy ny Sinoa misionera dokotera, omaly sy anio, izay tarihin’ny lehibeny, Li Xing Xiang. Fizaham-pahasalamana misokatra ho an’ny rehetra ary fizarana fanafody mifandraika amin’ny aretina no hatao mandritra ny roa andro. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona niasan’ny misionera sinoa teto Madagasikara […]