Fiaraha-monina

Akora avy amin’ny simenitra : tanora 150 miofana any Antsirabe

Ho tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny vondrona Alpha Ciment, izay natao sonia ny volana avrily, notontosaina tao amin’ny CFP Antsirabe, ny herinandro lasa teo, ny fankatoavana ny lasi-panofanana novolavolaina niaraka tamin’io vondrona io. Notohizana tamin’ny fampiofanana ny mpampiofana miisa 14 amin’ny famokarana […]

Sambo hopitaly Africa Mercy : olona maro hodidiana mandritra ny 2 taona

Nitsidika ilay sambo hopitaly Africa Mercy ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, sy ny mpanolotsaina momba ny politika sy toekarena, Juliana Kim, nandritra ny fitsidihany ny tanànan’i Toamasina. Nanomboka ny volana febroary no efa niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity sambo vaventy ity ary efa niroso tamin’ny […]

Tahan’ny alikaola amin’ny mpamily : hentitra ny fanaraha-maso rehefa faran’ny herinandro

Manohy ny “Opération coup de poing” ireo tomponandraikitra, isaky ny faran’ny herinandro. Hentitra ny fanaraha-maso ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily isorohana ny lozam-pifamoivoizana. Nanao tatitra ny hetsika fitiliana alikaola amin’ireo mpamily ny faran’ny herinandro teo ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, izay iandraiketan’ny Agence des transports terrestres-ATT, mi­a­raka […]

Mpiasa voaroaka ny iray: efa-dahy nandroba tranombarotra voasambotra

Jiolahy nisaron-tava nanafika tranombarotra tao amina tokantrano iray tao Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mpiasa taloha efa voaroaka no tompon’antoka. Nanafin’endrika tamin’ny alalan’ny saron-tava, jiolahy mirahalahy na­nafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Ambovo, kaominina Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mivarotra kojakoja madinika ilain’ny mponina andavanandro ireo lasibatra. Niditra an-keriny tao […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny trano fitahirizana fanafody vatsian’ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny programa Usaid/Impact, ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivohon’ity firenena ity. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitsinjarana vaksiny sy fanafody ara-potoana any amin’ireo distrika lavi-toerana, ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy, izy ireo. Namangy ny oniversiten’ i Fianarantsoa ny masoivohon’i […]