Fiaraha-monina

Homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza : Nahazo fatram-baksiny 547 070 i Madagasikara

Anisan’ny fisorohana mahomby amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza mpahazo ny vehivavy ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny HPV. Efa tonga eto amintsika ny fatram-baksiny hiarovana ny zatovovavy amin’ny hetsika fanaovam-baksiny nasionaly. Nahazo ny anjara vaksiny iarovana amin’ny HPV (Papillomavirus humain), mitarika ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza eo amin’ny vehivavy, i Madagasikara. Avy amin’ny […]

Sendikan’ny acm : Mangataka olona mendrika

Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikaly (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara, ACM. Nisongadina tao anatin’ity fanambarana ity ny fangatahana amin’ny andrimpanjakana ny mba hanendrena olona madio sy mendrika hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny Tale jeneralin’ny ACM. […]

Seho niavaka: Mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny CTP

Nosokafana tamin’ny fomba miavaka tao Antsahamanitra, ny alahady lasa teo, ny fankalazana ny faha-15 taona nio­rean’ny Chorale Trompetran’ny polisim-pirenena (CTP). Tonga maro nanotrona izany ireo mpino kristianina sady nanome voninahitra an’Andriamanitra, ka nahafeno hipoka ny kianja. Fahombiazana tanteraka, araka izany, ny hetsika, satria tsy vitan’ny nanaitra ny saina sy ny […]

183 tapitria Ar nahodinkodina : Olona miisa telo naiditra eny Antanimora

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, fantatra izao fa nisy fandaniam-bola tsy ara-dalàna tao amin’ny hopitaly « Centre hospitalier de références de district (CHRD II) » Itaosy. Araka ny tatitra navoa­kan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tserasera, vola mitentina 183 092 109,71 […]

INDRAY MIJERY

Mikarakara fanenana hetra faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.Tanjona ny hanampiana ny olom-pirenena hahafeno ara-potoana ny adidy amin’ny hetra, izay fototra iorenan’ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra eto Antananarivo. Ny hetra no anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna. Manomboka ny tetikadim-pirenena momba ny “Digitalisation” ho an’ny fampianarana teknika sy […]