Tsy mahalala ny ho ampitso! Samy mailo amin’ny trangan-javatra miseho ny rehetra. Ao ireo mitsoaka, ao ireo manangona sakafo, ny sasany manohy ny fitadiavana araka izay mety. Nisongadina ny filaharana amin’ny fividianana kojakoja ilaina andavanandro. Manoloana ny krizy lalovan’ny firenena, maneho fahamailoana ny ankamaroan’ny tokantrano. Filaharana no hita tamin’ireo mpamongady […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nanao fanadiovana faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, manerana ny boriborintany enina. Nisy ny antso natao mialoha ny hetsika ka tonga maro ny olona nanatanteraka izany. Tanàna madio, maitso ary malina no tanjona. Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy misy mpianatra na iray aza ireo […]
Fiverenana an-dakilasy : Feno fisalasalana ireo mpianatra
Hatry ny omaly, tsy mbola nisy ny filazana ofisialy na mbola mijanona ny fampianarana na efa miverina an-dakilasy ireo mpianatra. Feno fisalasalana, araka izany, ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’ny fanapahan-kevitra horaisina. Raha ny fifanentanana any anaty fiarahamonina sy amin’ny tambajotra sosialy anefa dia mbola heverina ny hisian’ny fitakiana […]
Mananjary : Nandray ny tohana ireo mpiasan’ny fahasalamana tra-boina
24 mianadahy ireo mpiasan’ny fahasalamana niharam-boina vokatry ny fahamaizan’ny tanàna midadasika ao Mananjary. Natolotra azy ireo tao amin’ny fitaleavam-paritra ny fahasalamam-bahoaka Vatovavy ny fanampiana voaangona ho azy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nanao ny hetsika voin-kava mahatratra ho azy ireo ny namany rehetra manerana ny Nosy. Samy nanome ny voatsirambin’ny […]
Mesupres : Vonona handray ny mpianatra ny filoham-pirenena
Ao anatin’ny fifampidinihana no ahitana vahaolana. Izany indrindra no hiantsoana ny mpianatry ny Oniversite hiara-hitady vahaolana amin’ny filoham-pirenena mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy i Madagasikara. Misokatra amin’ny fifampidinihana amin’ny famahana ny olan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny filoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra Chaminah Loulla. Miantso ny […]





