Fiaraha-monina

Fampianarana Ambony: nahazo oniversite vaovao ny faritra Analanjirofo

Tsy hivangongo amin’ny renivohi-paritany intsony ny oniversite miankina amin’ny fanjakana fa efa aparitaka any amin’ny faritra rehetra ho fanatonana ny mpianatra vonona hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Namarana ny fitsidihan’ny filoham-pirenena ny faritan’i Toamasina ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny oniversiten’Analan­jirofo, ny faran’ny herinandro teo. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, […]

famongorana dahalo : miara-miasa ny zandary sy ny fokonolona

Resy lahatra ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny fokonolona ao amin’ny fokontany Androhiavy, koaminina Analalava, faritra Sofia, omaly. Hisorohana ny asan-dahalo ao an-toerana, namory vahoaka avy ao amin’ny fokontany miisa telo ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia, ny Kly Randriamidona Lys Odon. Niara-nientana taminy ny ben’ny Tanàna sy ny […]

Fikambanamben’ny sendikàn’ny fanabeazana : Tsy manaiky hampiasana ny minisitera ho fitaovana politika

Tsy manaiky ny fampiasana ny minisitera sy ny fitaovana ao aminy ho fitaovana politika ireo fikambanamben’ny sendikà misehatra eo amin’ny fanabeazana, araka ny fa­nambarana nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Am­bohijatovo, afakomaly. Taona fahatelo ny haavon’ny fari-pahalalan’ny vahoaka malagasy, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. “Antony mahatonga izany ny hanaovana fitaovana […]

Fisorohana ny fiakaran’ny rano: napetraka ny Balise limnométrique 

Hotanterahina mandritra ny 10 andro ny fametrahana ny  balise limnométrique  ao amin’ny kaominina izay iasan’ ny WHH, anatin’ny tetikasa « Wahafa » (Welthungerhilfe Anticipation Humanitarian Action Facility). Tafiditra ao anatin’ny asa fiomanana mialoha izay iandraiketan’ny tetikasa ahafahan’ny fokonolona misoroka mialoha ny mety ho fiakaran’ny rano eny amin’ny toerana misy azy ireo ny […]

Toeram-pivoriana sy fiofanana: Notokanana, omaly, ny Tranom-biavy Toamasina

Notokanana omaly, tao amin’ny fokontany Sahavola, kaominina Fenoarivo Atsinanana ny tranom-biavy. Natokana hivoriana sy hiofanan’ny vehivavy, mba handratoana fahalalana sy hampitomboana traikefa ary hampahaleo tena azy ireo amin’ny sehatry ny asa fitadiavam-bola. Tonga nanotrona izany, tany an-toerana, ny minisitry ny Fitsarana, misolo toerana ny ministiry ny Mponina, Randriamanantenasaoa Landy Mbolatiana. […]