Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, fantatra izao fa nisy fandaniam-bola tsy ara-dalàna tao amin’ny hopitaly « Centre hospitalier de références de district (CHRD II) » Itaosy. Araka ny tatitra navoakan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tserasera, vola mitentina 183 092 109,71 […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Mikarakara fanenana hetra faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.Tanjona ny hanampiana ny olom-pirenena hahafeno ara-potoana ny adidy amin’ny hetra, izay fototra iorenan’ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra eto Antananarivo. Ny hetra no anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna. Manomboka ny tetikadim-pirenena momba ny “Digitalisation” ho an’ny fampianarana teknika sy […]
MESUPRES : Apetraka ny University Innovation Pod (UniPod)
Vita tamin’ity herinandro ity ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, sy ny solontena maharitry ny Pnud eto Madagasikara, i Edward Christow. Fametrahana ny University Innovation Pod (UniPod) no nifantohan’ny fiaraha-miasa. Tetikasa novolavolain’ny fitaleavana momba ny fikarohana sy ny haivao (DRI), […]
Maintimolaly Musea: 15 mianadahy nahavita fiofanana
Efa manomboka ny fandaharanasa tantsoroka vaovaon’ny Education USA Madagascar amin’io volana oktobra io. Sehatra hizaran’ireo maintimolaly ao amin’ny Musea sy USGA traikefa sy torolàlana ho an’ny tanora maniry ny hanohy fianarana any Etazonia izy ity. Izy ireo miaraka amin’ny fikambanan’ny Malagasy mpianatra nandrato fianarana ambony tany Etazonia U.S. Graduate Association […]
Wednesday Morning Group: Nivoaka ny andiany Kanto, nianatra zaitra sy rafia
Vehivavy 20 isa navoaka sy nahazo mari-pahaizana, omaly, tetsy Ambatoroka. Nanaraka ny fiofanana momba ny zaitra teo anivon’ny WMG izy ireo. Navoaka tetsy Ambatoroka, omaly, ireo vehivavy 20 isa. Nandranto fiofanana mahakasika ny zaitra sy rafia teo anivon’ny Wednesday Morning Group (WMG) izy ireo. Nampitondraina ny anarana hoe: “Kanto” ity […]





