Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny fihaonana teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpisehatra amin’ny taxi-moto. Tanjona ny hampanarahan-dalàna sy hitondrana vahaolana amin’ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Nihaino ireo olana sy ny soso-kevitra nentin’ireo mpisehatra ny CUA. Hisy ny dingana manaraka hanohizana ny fanatsarana ny asan’ireo taxi-moto […]
Fiaraha-monina
Toetr’andro : Mananontanona ny rivodoza Blossom
Efa nahafeno fepetra ary nomena anarana Blossom ilay rivodoza ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny 1 600 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny ivony ary mahatratra 65km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 90km/ora. Manohy ny diany miakandrefana somary avaratra andrefana amin’ny hafangainam-pandeha 8km/ora izy. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry […]
Chupka Antsiranana-Japon: 645 tapitrisa Ar hanavaozana ny toeram-pitsaboana zaza
Havaozina ny sampandraharahan’ny fitsaboana zaza ao amin’ny Chupka Antsiranana. Manohana ara-bola mitentina 645 tapitrisa Ar hanatanterahana ny asa ny firenena japoney. Vita tamin’ity herinandro ity ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny masoivoho japoney, i Abe Koji, sy ny talen’ny Chupka, i Sammy Thierr. Miompana amin’ny fanarenana ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana […]
Oniversite miahy tena…: Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation”
Miroso amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ny minisitera. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation” izy ireo manomboka izao. Hitsangana ny vaomieram-pirenena misahana izany, hampihatra ireo fepetra nasiam-panavaozana. Mila mahatratra ny 75% ny naoty amin’ireo tombana vao afaka misokatra ny lalam-piofanana vaovao. Tsy hitsitsy amin’ny tandrevaka sy ny gaboraraka […]
INDRAY MIJERY
Niofana momba ny fandrafetana ny didy fampiharana ny Document unique d’évaluation des risques (Duer) sy ny fanaraha-maso ny asa aman-draharaha momba ny fambolena ataony ny Inspecteur du travail. Tanjona ny hampiroboroboana ny asa mendrika sy ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy. Tetikasa manome vahana ny kolontsaina fandraharahana dieny eny amin’ny kolejy […]





