Fiaraha-monina

Bakalorea 2023: Tsy mahasarika ny mpiadina ny sokajy C

Hotontosaina ny 17 jolay ka hatramin’ny 21 jolay ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Hitohy ny 24 jolay ka hatramin’ny 27 jolay kosa ny andiany faharoa ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika. «Nitombo 12,05% ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2023 raha mitaha […]

Tontolon’ny fonja : nokitihina ny tetibola amin’ny fampitaovana

Hahazo fampitaovana ireo fonja vao natsangana eto amin’ny Nosy. Nankatoavina ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fitsarana hanaovana izany. Nahazo fankatoavana hampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany ny minisiteran’ny Fitsarana. Ho fampitaovana ny fonja vao natsangana no antony hanetsehana izany tetibola izany. Fandriana sy kidoro vaovao no hovidina. Fonja misy […]

Tetikasa Haratonaina : tokantrano 84 000 ireo mpisitraka eto Antananarivo

Nosokafana omaly, tetsy amin’ny parvis Analakely, ny “Herinandron’ny Haratonaina” ho an’ny eto Antananarivo rehefa avy nitety faritra maro. Nasongadin’ny tale misahana ny kolontsaina sy fampivoarana ny fiarahamonina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ravelomanan­tsoa Elia fa misitraka tombony betsaka amin’ny tetikasa “Ha­ratonaina” ny mponina sahirana eto Antananarivo Reni­vohitra. 84 000 izy ireo […]

Fandrindram-piterahana : hiampy 1 700 000 ny mpisitraka

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fikitihana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany amin’izany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity. Miisa 3 496 701 ireo vehivavy sy renim-pianakaviana izay efa manao fandridram-piterahana hisitraka izany fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana […]

FANADINANA BEPC : nampiana-tena ilay zokiolona 70 taona

“Voafehiko tsara ny laza adina tamin’ny taranja Histo-Géo ny alarobia maraina teo”, hoy ilay zokiolona 70 taona, monina eto Antananarivo, niatrika ny fanadinana BEPC voalohany teo amin’ny fiainany, tamin’ity taona ity. Anisan’ireo mpiadina farany nivoaka ny efitrano fanadinana izy taorian’ny ora telo naharetan’ny taranja, omaly maraina. Ma­nana paikady manokana izy […]