Fiaraha-monina

Cntemad : havadika ho oniversite nomerika

Havadika ho oniversite nomerika ny ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra amin’ny fampianarana ambony (Cntemad) eto Ma­dagasikara. Nisy atrikasa na­tao tany Paris, nandritra ny roa andro, ny volana marsa teo namolavolana vovonan’ny oniversite nomerika afrikanina ka nandray anjara ny delegasiona malagasy. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fananganana antontan-kevitra iraisana momba ny fitantanana ireo mpampiofana, […]

Boriborintany IV : hisitraka fitsaboana maimaim-poana ny mponina

Hotanterahina ny 4, 5, 6 ary 7 avrily izao eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Telma Anosibe Angarangarana ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany IV. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny karazana fitiliana mahazatra izay mahasarika ny olona. Anisan’izany ny fitiliana diabeta, hahafantarana ny tahan’ny siramamy anaty ra. […]

Vatsim-pianarana: Oniversite telo indray mitokona

Mafana ny tontolon’ny fampianarana ambony nanomboka omaly. Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra. Nanao fitokonana indray miaraka ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary Toamasina. Nanao fitokonana fitakiana vatsim-pianarana ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maha­janga (Ambondrona) sy Fia­narantsoa (Andrainjato), oma­ly. Na ao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny paska aza ny fampianarana ambony, mandeha […]

Fandaharanasa SSH : hamatsy vola ireo fikambanana sy ONG

Hatramin’ny 31 mey izao ny fanaterana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ny fangatahana fa­matsiam-bola, amin’ny ala­lan’ny fandaharanasa “Am­bassador’s Special Self Help Small Grants Program” (SSH). Iantsoan’ny masoivoho amerikanina ny fahavitri­han’ireo fikambanana sy ONG mijoro ara-panjakana sy ara-dalàna eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Co­mores izany. Tanjona ny hanohanana ara-bola ireo tetikasa […]

Distrikan’Avaradrano : tobim-pahasalamana 6 voahosotra ho sakaizan’ny Wash

Notanterahina teny amin’ny CHRD Anosy Avaratra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana, ny faran’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fanajana ny fahadiovana sy fidiovana izany ny tobim-pahasalamana 6 ao amin’ny distrikan’Avaradrano ka anisan’ireo filamatra sy maodely. Anisan’ny nahafeno ny fepetra nahafahana nanasokajy […]