Fiaraha-monina

Ady amin’ny «choléra»: mila hamafisina ny fisorohana sy ny fahadiovana

Mananontanona an’i Madagasikara ny valanaretina «choléra». Mila hamafisina ny fiarovana rehetra, indrindra ny fahadiovana. Mila manatona dokotera avy hatrany vao misy tranga mampiahiahy. Nanao fampahatsiahi­vana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fahamailoana sy fitandremana hisorohana ny valanaretina «choléra» izay mananontanona satria efa mandripaka atsy Mozambika sy ny Nosy Comores. Aretina haingam-pifindra ary […]

Banga ny asa fanaovan-gazety : nodimandry i Lalaina Nalinjara…

Nodimandry ny alahady teo ny mpanao gazety eo anivon’ny radio Don Bosco (RDB), i Lalainasoarimbelo Malalanalinjara Aroldhia La­laina na i Lalaina Nalinjara. 49 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary namela mananontena sy kamboty telo mianadahy. Am-polo taona maro no niasany tao amin’io haino aman-jery io ary efa nahazoany mari-pankasitrahana […]

77 taona ny tolom-panafahana : Tsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra

Feno 77 taona ny tolom-panafahana izay hankalazaina ny 29 marsa 2024 ho avy izao. Nilaza ny komity mpikarakara fa hotsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra… Ahina manokana ireo mpitolona tamin’ny 29 marsa 1947. Nisokatra ny fotoam-pivoriana voalohany notarihin’ny Tale misahana ireo mpiady tia Tanin­dra­zana eo anivon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy, ny Jly Ran­drianantenaina Emilson, tetsy […]

Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza

Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimieram­pi­renena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]