Manampy fianakaviana maro any ambanivohitra amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fampiasana drone. Nanao tombana ny zava-bita tamin’ny fampiasana drone ny masoivoho amerikanina nandritra ny fitsidihana ny orinasa AerialMetric izay manamboatra drone. Fantatra, tamin’izany, fa nahavita sidina 3 900 ireo drone miasa hamatsiana fanafody sy vaksiny ary kojakoja ilaina amin’ny fahasalamam-bahoaka. […]
Fiaraha-monina
Masoivohon’i Chine: nanome vary 23 taonina ho an’ny traboina
Manao ranolava ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Alvaro farany teo. Ny alarobia teo, nanolotra vary milanja 23 taonina sy menaka fihinana 920 litatra ary tsaramaso milanja 4,6 taonina ny masoivon’i Chine. Iandraiketan’ny BNGRC ny fitsinjarana ny fanampiana amin’ireo traboina, arakaraka ny filàna maika. […]
Aretin’ny taovam-pisefoana: maro ny zaza miditra eny amin’ ny hopitaly Ambohimiandra
Toy ny isan-taona, misedra olana amin’ny fandraisana ny zaza marary ny eny amin’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra. Mifanandrify amin’ny fahatongavan’ny aretin’ny taovam-pisefoana izany, amin’izao fotoana izao. Nahitana fitomboana, araka izany, ny tahan’ny ankizy marary raisin’ny hopitaly. Voavaha ara-dalàna ihany izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny an-toerana. Niha betsaka tsy toy ny mahazatra […]
Sampana mpamonjy voina : amboarina ireo fantson-drano eny Analakely sy Mahamasina
Manatanteraka ny asa fanamboarana ireo fantsona mamatsy rano mandritra ny fisiana tranga fahamaizana eny Analakely sy Mahamasina ny sampana mpamonjy voina, ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo fantsona ireo no ampiasain’ny ekipa milatsaka an-tsehatra amin’ny famonoana afo eny amin’ireo toerana ireo. Tsy azon’iza na iza ampiasaina izany fantsona izany afa-tsy […]
Noho ny areti-maso : voarara ny fivorivoriana
Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, fa voarara ny fanaovana hetsika famoriam-bahoaka isorohana ny fihanaky ny valanaretina, indrindra ny areti-maso izay mivaivay amin’izao fotoana. Mila hajaina koa ny sakana ara-pahasalamana rehetra hanapahana ny rohy fiparitahany. Tsy azo hatao, araka izany, ny fivorivoriana amin’ny endriny rehetra ho fanajana […]




