Nanomboka halina, nahazo ny filazana miloko mena, manambara loza mihatra amin’ny fiavian’ny rivodoza Belal ao amin’ny ranomasina Indianina ny Nosy La Réunion, araka ny voalazan’ny prefet ao an-toerana. Nanentana ny mponina rehetra hanao tahiry amin’ny sakafo sy ny rano madio ary hijanona any an-trano ny tomponandraikitra ho fisorohana ny voina […]
Fiaraha-monina
Atsimo Atsinanana: novelomina ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza
Novelomina indray ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny taona 2023 lasa teo. Ny prefet no mpitarika ny tambajotra ary ny fitaleavan’ny Mponina, fampivoarana ny vehivavy ary ny fiahiana ara-tsosialy no mpandrindra. Mpikambana ao ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, ireo ampanjaka, ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo […]
Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka
Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Omaly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny. Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka […]
Tily eto Madagasikara: Skoto maherin’ny 5 000 hankalaza ny faha-100 taona
Ny 27 janoary izao no hanamarihina ny faha-100 taonan’ny skoto, Tily, eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina, ny hetsika fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy fa hisy ihany koa manerana ny distrika. Maherin’ny 5 000 ireo skoto andrasana eny Mahamasina amin’io. Aorian’ny fanompoam-pivavahana, hisy ny foaraben’ny Tily, hanasongadinana ny talenta […]
Fianarana teny japoney: mitantara ny niainany tany Japana i Tafita
Taona fahatelo ao amin’ny fakiolten’ny teny sy siansa maha olona an’ny Oniversiten’Antananarivo i Tafita ary manaraka ny lalam-piofanana teny Anglisy sy Japoney. Nahazo vatsim-pianarana herintaona avy amin’ny fanjakana japoney izy, ka nihazo an’i japana, ny volana septambra 2022, mba hianatra sy handalina ny teny sy kolontsaina japoney tao amin’ny Doshisha […]




