Fiaraha-monina

Toetr’andro : mitondra orambe ilay andro ratsy

Mivoatra tsikelikely ao atsinanan’ny faritra Sava ilay faritra andro ratsy any avaratry ny Nosy. Omaly, tany amin’ny 200 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohémar no nisy ny foibeny. Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 25km isan’ora. Manodidina ny 45km/ora hatramin’ny 65/ora ny rivotra entiny ary mitondra orana betsaka. […]

Fampianarana ambony : Kendrena ho ara-potoana ny vatsim-pianarana

Tafiditra anatin’ny ezaky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny famahana ny olan’ny mpianatra. Ezahina tsy ho tara intsony ny famoahana ny vatsim-pianarana. Ambetin-tenin’ny minisitry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana siantifika, Razafiarison Andriamanantena, ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nolazainy izany nandritra ny fihaonany tamin’ireo […]

Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly

13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste mi­asa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neu­rologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Mane­ran-tany, 50 tapitrisa ny […]

Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel

Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fa­namboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Mo­rondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fi­kambanana Io Renala. Nareni­na ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso. Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny […]

Fiforonana andro ratsy: Tombanana hipaka ao Sava rahampitso

Manomboka mitoetra ny « anticyclone » ao atsimon’i Ma­da­gasikara. Hita taratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy ihany koa ny ampahan’ilay Zone de convergence intertropicale (ZCIT). Mifandray amin’izay ZCIT izay dia misy faritra andro ratsy any amin’ny manodidina ny 1 500 km atsina­nan’Antsiranana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Araka […]