Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, nandritra ny 3 herinandro, ireo mpianatra sy mpampianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette Collège Pensylvania niaraka tamin’ireo mpianatry ny Lycée Andohalo. Nisy ny fifanakalozana nahafahana nifampizara fahaiza-manao, indrindra mizatra miteny anglisy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “Lafayette Initiative for Malagasy Education (Lime)” ny fihaonana. Efa hatramin’ny […]
Fiaraha-monina
Hetsiky ny minisiteran’ny Asa : sarona ny tsy fanajana ny zon’ ny mpiasa teny Ivato
Nidina ifotony avy hatrany sady tsy ankiandriandry. Nijery ny olan’ny orinasa iray mpanao akanjo eny Ivato, ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, ny alakamisy teo. Nihaino ny olan’ny mpiasa sy ireo mpampiasa eo anivon’ity orinasa ity ny tenany ary namaha izany avy hatrany. Anisan’ […]
Fiaraha-miasa amin’ny JICA : hisitraka kamiao 38 ny CUA
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Agence japonaise de coopération internationale (JICA) dia hisitraka fitaovana hanampy amin’ny fanalana fako ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Gesdda” notanterahina ny volana febroary 2023 teo ny ahafahana manao izany. Heverina ho voarain’ny kaominina amin’io volana febroary ho avy io kosa ireo fitaovana nampanantenaina. Anisan’ny […]
Valanjavaboahary Tsimbazaza: hovatsiana sakafo ara-dalàna ireo biby ela nijaliana
Hitondra fiovana eo amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny ezaka tafiditra ao anatin’ny 100 andro voalohany ataon’ny Mesupres. Hofahanana sakafo ara-dalàna ireo biby ompiana ao an-toerana. Mahavelombolo ireo mpitia zavaboahary izany ary ainga vao hoan’ ity toerana ity. Avy hatrany dia ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza no notsidihin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy […]
Andranomiely Ankazobe : mitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana
Tahotra noho ny asan-dahalo! Nitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana tao amin’ ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, taorian’ny namonoan’ny dahalo ny ben’ny Tanàna. Nahatsiaro tena ho mandry tsy lavo loha ireo mpampianatra sy dokotera miasa ao an-toerana ka samy nandao ny toeram-piasany avokoa. Etsy ankilany, miteraka fahasahiranana ho an’ireo mponina izany toe-javamisy izany. Nanatontosa […]





