Fiaraha-monina

Hopitalin-jaza : karazan’aretina telo tena mpahazo ny marary

Trangan’aretina telo no tena mpahazo ny zaza eny amin’ny hopitaly amin’izao fo­toana izao. Nivoitra izany, araka ny fanazavan’ny Dr Andriamparany Nivoarilala, mpitsabo sady tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza, Tsaralalàna (CHUMET). Matetim-pitranga amin’izany ny aretin-tratra na ny Bronchiolite. Mikohoka sy manavy ary mety ho sempotra ilay […]

Fokontany Manjakaray: novatsiana fitaovana ny sembana

Mihazakazaka ny fanatrarana ny tanjona amin’ny asa sosialy izay takina vokatra anatin’ny 100 andro. Nidina teny Manjakaray ny minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, i Fomendraza Haingo Elisette, omaly. Namangy ireo tokantrano sahirana sy mitaiza olona manana fahasembanana mila tohana ny ekipa notarihiny. Tamin’izany no nanolorany seza misy kodiarana, natokana […]

Fandrindram-piterahana : vehivavy 3 tapitrisa mahery hisitraka anatin’ny 100 andro

Tafiditra ao anatin’ny andry lehibe telo iompanan’ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’izao 5 taona manaraka izao ny sehatry ny fahasalamana. Hisitraka fandrindram-piterahana maimaimpoana ireo vehivavy 3 tapitrisa mahery… Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly, ny momba ny fandrindram-piterahana izay hanaovana ezaka ao anatin’ny 100 andro. Vehivavy miisa 3 220 000, manerana […]

Orange Digital Center Champions : nankasitrahana ny ekipan’ny Misa

Nivoaka ho mpandresy, nitana ny laharana voalohany, ny ekipan’ny Misa manoloana ny ekipa 15 hafa avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Fifani­nanana “Orange Digital Center Champions”. Nidera manokana ny haavolentan’ny fiofanana eo anivon’ny Misa sy ny fahaizan’ireo tanora ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frederic Debord. Notolorana amboara sy […]

Fahabetsahan’ny rotsakorana : faritra valo nahazo fampitandremana

Filazana miloko mavo amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Voakasik’izany koa ny distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo ary Belo sur Tsiribihina. Io ny fampitandremana nomen’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly. Filazana miloko mena, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana hatrany, ho an’ny faritra […]