Fiaraha-monina

Malagasy mpianatra any Rosia: mitaraina fa tsy nahazo vatsim-pianarana

Niombom-peo indray ireo Malagasy mpianatra any Rosia fa mijaly amin’ny tsy fahazoana vatsim-pianarana 2 taona nisesy izao. Lany vatsy ary tapitra Visa ny sasany. Mila vonjy amin’ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny vatsim-pianarana hatramin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia. Zon’izy ireo feno ny misitraka ny […]

Mialy Razafintsalama : nahazo tohana avy amin’ny Filatex

Mampiantrano ny fampirantiana “Ilay tany vaovao” sy “Sedran’ny Tany” ny ivontoe­ran’ny kanto Hakanto Con­temporary, Ankadimbahoaka, ny 6 janoary ka hatramin’ny 20 avrily. “Sedran’ny tany” sanganasa navoakan’i Mialy Raza­fin­tsalama niaraka tamin’ny fanohanan’ny Filatex énergie, sampana iray ao anatin’ny Vondrona Filatex. Fampiran­tiana mifantoka amin’ny lohahevitra ny “Tanindrazana, tany mitsinjo ny tontolo iainana”. […]

Fiovana anarana – MFA : «Fametrahana lanja ny fiaraha-mientana», hoy ny Jly Sahivelo

Tafika maoderina, tafika manana ny maha izy azy, reharehan’ny vahoaka ao aminy sady afaka manampy ny vahoaka amin’ireo ambana rehetra mety hitranga, hoy ny MFA, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin Tontosa teny Ampahibe, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny […]

Boeny, Sofia ary Diana : hahery vaika ny onjan-dranomasina

Nampitandrina amin’ny ala­lan’ny loko mavo ny mpamantatra ny toetry ny andro ho an’ny morontsiraka Boeny, Sofia ary Diana amin’ny fisi­an’ny rahom-baratra matanjaka. Any amin’ny manodidina ny 300 km avaratra andrefan’ny tanjona Vilanandro (Besa­lampy) no misy izany rahom-baratra izany. Manakorontana ny toetry ny andro ny fisiany ary mahatonga ny oram-baratra mitsitokotoko […]

Boriborintany I sy III: nifarimbona nanadio ny mpiara-miasa

Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadio­van’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]