Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana. Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Nametraka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta […]
Fiaraha-monina
Orange Digital Center Champions : lasan’i Madagasikara ny laharana voalohany
Norombahin’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny mpianatry ny Mathématiques, Informatique et Statistique Appliquées (MISA), eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny «Digital Center Champions». Ekipa 15 avy amin’ny firenena maromaro no nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpianatra ity. Vokatry ny fandresena azon’izy ireo, hisitraka fotodrafitrasa vaovao ho an’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo miaraka […]
Mahery vaika i Belal : 250 km ny rivotra entiny
Nanomboka halina, nahazo ny filazana miloko mena, manambara loza mihatra amin’ny fiavian’ny rivodoza Belal ao amin’ny ranomasina Indianina ny Nosy La Réunion, araka ny voalazan’ny prefet ao an-toerana. Nanentana ny mponina rehetra hanao tahiry amin’ny sakafo sy ny rano madio ary hijanona any an-trano ny tomponandraikitra ho fisorohana ny voina […]
Atsimo Atsinanana: novelomina ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza
Novelomina indray ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny taona 2023 lasa teo. Ny prefet no mpitarika ny tambajotra ary ny fitaleavan’ny Mponina, fampivoarana ny vehivavy ary ny fiahiana ara-tsosialy no mpandrindra. Mpikambana ao ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, ireo ampanjaka, ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo […]
Toetr’andro: mihaodihaody ny rivodoza manaraka
Nampahafantatra ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly, fa misy rivodoza mihaodihaody ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Omaly, any amin’ny 950km avaratra atsinanan’Antalaha ny foibeny. Rivodoza faharoa nipoitra tamin’ity vanim-potoana fahavaratra ity io miforona io, aty amin’ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara. Miha mitombo hery ity rivodoza ity ka […]





