Niakatra ny vidin’ny sakafo iray lovia eny amin’ny toeram-pisakafoana eto Antananarivo, nanomboka ny 2 janoary lasa teo. Tsy maintsy nanondrotra ny vidin-tsakafo izahay satria nitombo avokoa ny vidin’ny hena sy ny vary ary ny legioma sy anana, hoy ireo mpivarotra. Misy ny nampihena ny fatran’ny sakafo atolotra ny mpanjifa fa […]
Fiaraha-monina
Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka
Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra […]
Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina
Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Manakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]
Lalana nihotsaka Mahazengy: efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN7
Nanao ny ezaka rehetra ny minisiteran’ny Asa vaventy, mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, nidina any Fianarantsoa raha vao nandre ny fahatapahana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana eo amin’ny PK 416+300, mandalo […]
Fihetsehan’ny tany-Japon: 62 maty, 300 naratra
62 ny maty, 300 ireo maratra, vokatry ny fihetsehan’ny tany, ny fiandohan’ny taona teo, tany Japon, araka ny filazam-baovao avy amin’ny departemanta Ishikawa, omaly. Tombanana mbola hitombo io isa io, satria misy ny toerana saro-dalana any ambanivohitra sady manampy trotraka ny toetry ny andro ratsy, misy orana, ka miteraka fihotsahan’ny […]





