Tontosa ny atrikasa fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano tany amin’ny faritra Atsinanana, niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka CRS sy PAM. Tanjona ny hampihena ny tahan’ireo traboina anatin’ny faritra sy ny fahafehezana ny tranga mety hiseho, indrindra amin’ny fanomanana mialoha, mandritra ary aorian’ny fahatongavan’ny loza. Nanatontosa […]
Fiaraha-monina
Miseho amin’ny endrika samihafa: ny kolikoly madinika no tena manjaka sy manakorontana
Miseho amin’ny endriny maro ny trangana kolikoly. Ny kolikoly madinika miseho andavanandro no tena betsaka sy manakorontana ny fiarahamonina. Fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindrihazolena ho an’ny mpiara-monina no antsoina hoe kolikoly. Io no namaritan’i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara, ny atao hoe kolikoly. Misy ny kolikoly manome […]
Ady amin’ny kolikoly: olana ny toe-tsaina sy ny fisian’ny tsy maty manota, hoy i Hanitrantenaina
Nitondra fanazavana mahakasika ny tontolon’ny kolikoly eto Madagasikara i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly ary maintimolalin’ny fandaharanasa Yali-RLC Dakar. Olana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny toe-tsaina. Zatra kolikoly ny olona. Io no hevitr’ i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tsy dia […]
Fetin’ny Krismasy: endrika maro ny fankalazana teny amin’ny fiarahamonina
Samy nanana ny endrika nankalazany ny Krismasy ny rehetra. Tao ireo namonjy ny fiangonana ary saika tomefy olona ny tempoly omaly. Ny hafa kosa nitsangantsangana nameno an’Analakely sy ny manodidina, nihanoka ireo karazan-kilalao ho an’ny ankizy hita eny Analakely, araka ny efa nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny tokantrano sasany nisafidy […]
Lalam-pirenena fahefatra: nohamafisina ny fandriampahalemana
Taorian’ny fanafihana taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, nampitovy tadin-dokanga ho fisorohana ny tsy fandriampahalemana ireo mpisehatra voakasik’izany ka nampahatsiahy ireo lamina napetraka ary namolavola paikady vaovao hampiharina. Anisan’ny nidina ifotony teny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly, tao Aranta Mahajanga, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ny antokondraharaha misahana ny fitaterana […]





