Fiaraha-monina

49,8% ny ankizivavy mahatody 7ème (T5) : mila ampianarina hisorohana ny vohoka aloha loatra

Maneran-tany, tsy mahavita ny kilasy de 3ème (T9) ny zatovovavy iray amin’ny dimy, ary tsy mahatody hatramin’ny kilasy famaranana ny ankizivavy efatra amin’ny 10. 49,8% ny tahan’ny fahavi­tan’ny ankizivavy ny ambaratonga fototra eto amintsika, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny trano fonenana, RGPH 2018. Zatovovavy iray amin’ny efatra […]

TRANO MORA : maro ireo nisitraka, nomen’ny fanjakana

Tontosa tamin’ity herinandro ity ny fisarihana ny fahazoana ny trano mora any Nosy-Be sy any Morondava. Natao tao anatin’ny mangarahara ary natrehin’ny vadintany avokoa izany. Niara-dalana amin’izany koa ny fametra­hana ny vatofototra ho amin’ ny fanorenana ny “Immeuble mora” ao Tsararivotra, Nosy-Be. Manaraka ny fenitra sy ny kalitao ireo trano […]

Administratera sivily: “Mila mifampidinika isika…”

“Tsy maintsy miroso amin’ny fanelanelanana isika raha tsy te hifamono”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vondron’ny administratera sivily, Ratolojanahary Maharavo, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mijoro hamaly ny antson’ny FFKM izy ireo, mahatsapa fa tsy afa-miala amin’ny olana eto amin’ny firenena. “Tandindomin-doza ny firenena ary ny ain’olombelona sy ny […]

CHU Anjanamasina : 1 000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina

«Zontsika ny hanana saina salama». Io no lohahevitra noraisina amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina, omaly. “Araka ny fanadihadian’ ny Sampandraha­rahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), amin’ny taona 2030, ho lasa olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny fikoronta­nana ara-tsaina sy ny aretin-tsaina ka mila fandraisana an-tanana”, […]

Vohoka aloha loatra : antony faharoa mamono ny zatovovavy

Araka ny fanazavan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana, antony faharoa miteraka ny fahafatesan’ny tovovavy 15-19 taona ny fahasarotana mandritra ny vohoka sy ny fiterahana maneran-tany. Eto Madaga­sikara, mahatratra 29,60% ny tahan’ny fitondrana vohoka aloha loatra, taorian’ny fanadihadiana MICS 2018. Efa nidina ho 27 % izany amin’izao ary tsapa fa […]