Notokanana ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohitrinibe Andakana, ny akany Fifanampiana, Centre Rassoul Akram (FCRA). Mahatratra 1500 ireo ankizy sy tanora kamboty na marefo ara-pivelomana mipetraka manodidina ny kaominina beazina ao an-toerana. Nitokana ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. […]
Fiaraha-monina
ARETIN’ny homamiadana : vehivavy 4 070 maty nandritra ny taona 2020
Roa taona izay no niara-niasa amin’ny hetsika « Octobre rose” ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) sy ny Fondation Akbaraly. Manao fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza izy ireo. Nahatratra 12 447 ny trangana homamiadana voatily ka voakasika ao avokoa ny lehilahy sy ny […]
Mandritra ny tontolo andro anio : hitohy eto Analamanga ny tolotra fahasalamana
Mitohy ny hetsika tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka tsy ankanavaka ataon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka maro. Nisitraka koa ny mponina eto Analamanga nanomboka ny sabotsy teo ary hifarana anio. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, eny amin’ny kianja filalaovana basket-bal eny Andraisoro no handraisana ireo mila fizahana sy fitiliana […]
Governemanta rosianina: hanolotra vatsim-pianarana ho an’ny Malagasy
Hanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny fampianarana ambony natokana ho an’ny teratany malagasy ny governemanta rosianina. Manomboka amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ho avy izao izany. Hiarahan’ny masoivohon’i Rosia eto amin’ny firenena sy ny Malagasy tomponandraikitry ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ary hatao mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy izany. Tanjona ny hampiroboroana sy hanamifasana ny […]
Christine Jaulmes: solontena vaovaon’ny Unicef eto Madagasikara
Nitondra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara teny amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, omaly, ny solontena vaovaon’ny Unicef, Christine Jaulmes. Nandritra ny fihaonana, mbola nanamafy ny fanohanany ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny zon’ny ankizy rehetra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny marefo ity tomponandraikitra ity. Nomarihiny koa fa […]





