Hiresaka momba ny fahasembanana ara-tsaina, ny fanaitairana ireo retsi-pandre, ny fanaitairana ara-batana, ny CME Orchidée Blanche manomboka amin’io herinandro io, eny Androhibe. Fihaonana arahina fifanakalozana sy fifampizarana no hatao amin’izany. Hiompana betsaka amin’ny fanaitairana ny vavahadin-tsaina ho an’ny zaza madinika 1 hatramin’ny 8 taona no hatao amin’izay. Natao indrindra ho […]
Fiaraha-monina
“Youth mobile” : « Applications » 4 hanampy ny vehivavy
Nampahafantarina nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy ny « applications » efatra avy amin’ny tetikasan’ny tovovavy 18-30 taona taorian’ny fiofanana nomen’ny Unesco sy ny Orange Digital Center amin’ny hetsika « Youth mobile ». Manome vahaolana mikirakira ny teknolojia vaovao ahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ny tetikasa. Nandritra […]
Maina ny andro, ritra ny rano: vidiana 1 500 Ar ny rano iray bidon 20 litatra
Mijaly rano Antananarivo. Vidiana hatrany amin’ny 1 500 Ar ny rano iray bidon mavo. Ny andro mafana dia mafana kanefa ny rano tsy misy. Fahoriana ity! Tsy misy tsy mitaraina amin’ny fahatapahan’ny rano ny tanàna maro eto Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ireo amin’ny faritra ambony toerana. Efa ho iray […]
« Sekoly Telma » : EPP 5 natsangana any Vatovavy sy Fitovinany
Nanangana EPP 5 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny Fondation Axian sy ny Telma Madagasikara. Tanjona ny hanohizana ny fanohanana ny fanabeazana ho an’ireo zaza malagasy eto amin’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa “Sekoly Telma” no nahafahana nanangana izany. Nisitraka io fotodrafitrasa io ny mpianatra maherin’ny 750, monina any amin’ny […]
Antananarivo : ambony ny maripana, maloto ny rivotra
Miakatrabe mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripana farany ambony eto amin’ny faritra Analamanga tao anatin’ny roa andro, fa rahampitso vao hidina izany, vokatry ny rotsakorana hiseho. Eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 34°C ny maripana ambony indrindra ary 35°C any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tsy misy latsaky ny 30°C ny maripana izany ho […]





